Fampianarana

IT UNIVERSITY Namoaka informatisiana avo lenta 124 mianadahy


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Niampy 124 mianadahy indray ireo informatisiana avo lenta eto amintsika. Mpianatra navoakan’ny IT University eny Andoharanofotsy izy ireo ka ny 97 mianadahy notolorana ny mari-pahaizana Licence misalotra ny anarana “Raitra”

 

 rehefa nandalina ny lalam-piofanana informatika nandritra ny telo taona taorian’ny nahazoany ny maripahaizana Bakalôrea siantifika, raha notolorana ny ny Master II MBDS  kosa ireo 27 mianadahy misalotra ny anarana “Tafita” rehefa nandalina ity lalam-piofanana iray ity nandritra ny dimy taona. Tetsy amin’ny Yandy By-Pass no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany, omaly, natrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nahitana ny solontenan’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony. Fantatra nandritra izany fa betsaka amin’ireo mpianatry ny ITU no efa fandrihan’ny orinasa hiasa ao aminy amin’izao sady afaka mamorona asa ho an’ny tenany ihany koa entina hanampiana ny mpiara-belona. Ho an’ireo notolorana ny maripahaizana Master II indray dia avy any amin’ny oniversiten’i Nice Frantsa mihitsy no natolotra azy ireo, omaly,  mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny IT University eto an-tanindrazana. Ho an’i  Miahinantenaina Rafehivola, manokana, major tamin’ny andiany Tafita, nahazo ny Master II MBDS,  tovolahy iray vao 24 taona monja dia efa eo am-piandrasana ny fifanarahana hiasany amina orinasa iray any ivelany ny tovolahy amin’izao fotoana. Mandra-piandry izany anefa dia efa consultant amin’ny developpement informatique eo anivon’ny Trano fiantohana Aro ny tenany. Anton’izao tsiambaratelon’ny fahombiazany izao ny fanotontosany tsara hatrany ny fianarany  ankoatra ny fahatsapany fa anisan’ny lalam-piofanana tena mety sy tsara ho an’ny tanora ny informatika  satria sady hahafahana mampandroso ny firenena no azo hamoronana asa ho an’ny mpiray tanindrazana ihany koa. Anisan’ny hanofanan’ny IT University ireo mpianatra manovo fahalalana ao aminy ao anatin’ny lalam-piofanana informatika ny developpement d’application ho an’ireo notolorana ny maripahaizana licence, ny web,  ary ny “base de donnée et réseau”. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2017-2018.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT