IT FARAVOHITRA

Hanampy ireo tanora amin'ny fianarana sy fikarohana


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Vina efa nijoroana hatramin’ny ela no notanterahina ny marainan'ny alarobia 23 oktobra 2024 dia ny Antananarivo nomerika.

Ho fanombohana izany ny fitokanana ny IT na ny Ivon-toeran’ny tanora. Etsy Faravohitra no misy ity toerana ity ary natolotra ho an’ny tanoran’Antananarivo. Efitrano lehibe misy fitaovana informatika, solosaina miisa 100 ary misy « connexion internet » matanjaka ihany koa. Azon’ny tanora rehetra ampiasaina amin’ny fotoana rehetra. Misokatra amin'ny andro sy ora fiasana aloha amin'izao voalohany izao fa atsy aoriana dia azo hampiasaina 24 ora amin'ny 24 ora. Tanjona hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina, izay mampianatra ary manampahaizana momba ny matematika sy ny informatika ny hanampy ireo tanora amin’ny fanamorana ny fianarana sy ny fikarohana izay ataony. Aleo hoy izy tarihina hianatra sy hikaroka fahalalana ny tanora toy izay hanao izy mahafinaritra azy fotsiny. Hisy fampiofanana maro ihany koa ao amin’ity toerana ity fa tsy hijanona amin’ny lafiny informatika ihany, toa ny fanodinana vokatra, fambolena sy fiompiana ary fianarana teny vahiny. Hiitatra any amin'ireo boriboritany hafa ity fananganana Ivon-toerana ho an'ny tanora ity hoy i Tahina Razafinjoelina . Ny hafatro fotsiny dia tadiavo izay hampahay fa ao ny lakile, miainga amin'ny tanora ny fanovana ny firenena hoy izy. Mety mametram-panontaniana hoy izy ny olona amin’izao hoe fa maninona no izao vao natao ny fanampiana ny tanora tahaka izao, nilaza izy fa efa hatry ny ela no nananay io tetikasa io saingy tsy nety niara niasa sy hanaovana izany ny ben’ny tanàna tany aloha notolorana ny tetikasa « Antananarivo nomerika », ka tonga kosa ny fotoana ankehitriny handraisanana andraikitra sy hanampiana ny tanora.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT