Fampianarana

ISST Paramed Namoaka mpianatra 27 mianadahy


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Namoaka mpianatra 27 mianadahy ny sekoly manofana ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ISST Paramed etsy Andrefanambohijanahary omaly.

 

 

Teny amin’ny Motel Anosy no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany ka ny 16 tamin’ireo dia mpampivelona avokoa. Ny enina kosa mpitsabo mpanampy raha massothérapeuthe ny ambiny. Nambaran’ny dokotera Raharijaona Marie Hollande, filoha mpanorina ity sekoly ity fa  mahafehy tsara ny resaka fandraisana an-tanana ny marary avokoa ireo mpianatra navoakany ireo, izay marihina fa efa andiany faharoa. Anisan’ny nampiavaka azy ireo ny fahavitany  fianaran’asa teny anivon’ny hopitalim-panjakana toy ireo CSB II…izay nisy karazany miisa dimy samihafa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT