Fampianarana

ISPM Antsobolo Voka-pikarohana 200 aranty eny amin’ny Carlton


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Voka-pikarohana manodidina ny 200 isa nanomboka omaly no hampirantian’ireo mpianatry ny sekoly ambony « Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar » etsy amin’ny Carlton Anosy.

 

Voka-pikarohana tsara indrindra tamin’ireo 400 nampahafantarina ny olona nandritra ny varavarana misokatra nokarakarain’izy ireo farany teo teny Antsobolo izy ireo raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, mpiandraikitra ny lafiny ara-bola eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Anisan’ny tena nahavariana ireo mpitsidika nandritra izany ny fisian’ilay karazana borety misy môtera sy kodiarana efatra voka-pikarohana notanterahin’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany ao amin’ny lalam-piofanana Electronique. Vitan’io boreta io ao anatin’ny ora iray mantsy ny asa hataona olona iray ao anatin’ny tapak’andro, raha araka ny fanazavan’i Fafah ao anatin’ny vondron’ny mpianatra nanatanteraka ity voka-pikarohana iray ity. Toraka izany koa ilay « usine simulator »  izay manampy amin’ny fibatana entana eny anivon’ny orinasa ihany koa. Marihina moa fa misy ny fandraisan’ireo  orinasa maro isa-tsokajiny ny antontan-taratasin’ireo tanora mpianatra mitady asa mandritra izao salon izao izay hifarana anio Alarobia.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT