ISPM ANTSOBOLO

« Làlam-piofanana takian’ny tsenan’ny asa no tena ketrehinay »


  • Talata 27 Aogositra 2024

Zava-dehibe ny fahaizana misafidy ny lalam-piofanana aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea,

raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo. Ny safidy hatao amin’ny fotoana tahaka izao mantsy no miantoka ny ho avy iray manontolo sy hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa izay mahazo ny tanora eto Madagasikara raha araka ny fanazavany. Tsy izay mety amin’ny hafa akory dia hety amin’ny tanora iray fa tokony ampiana izy ireny mba tsy ho mpanara- drenirano fotsiny ihany sy hahafantatra ny takian’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara ho enti-miady amin’ny fahantrana. Ho an’ny sekoly ambony ISPM izay tantanany dia nambarany fa tsy miketrika lalam-piofanana afa-tsy izay takian’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara izy ireo. Lohalaharana amin’izany ny tontolon’ny informatika sy ny telecommunication, ny droit et technique des affaires, ny biotechnologies sy ny agronomie, ny genie civil ety architecture, ny genie industriel ary ny resaka fizahantany. Ankoatra izay dia hampianarin’izy ireo ihany koa ny mpianatra tsy ho afa-po amin’ny fahaizana noratovony fa ho tia karokaroka antony hampahafantaran’izy ireo ny voka-pikarohana hataon’ny mpianatra rehetra isan-taona izay hifampitadiavana hatrany am-pitandranomasina mihitsy. Ny 15 Oktobra ho avy izao moa no fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra maniry ny hanovo fahalalana ao amin’ny ISPM raha ny fiandohan’ny volana Novambra kosa izy ireo no miditra.
Pati
Legende : Izy no Razafindrahety Aimee, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT