Fampianarana

IS Group training and consulting “Mahasarika olona ny fiofanana momba ny fananan-tany”


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Hita ho tsy ampy ny fiofanana nomena ireo vita fianarana eny amin’ny oniversite na sampan-draharaha fiofanana, hoy ny mpampiofana sady mpanoro hevitra eo anivon’ny YS Group training and consulting, Yves Raheriniaina.

Hita hoe tsy mahatoraka ny asa misy eto Madagasikara ilay izy, hoy izy. Izay no mahatonga anay manao fampiofanana ho matihanina kokoa. Fampiofanana fampiharana noho izany no ampianay kokoa. Isany ataonay ny resaka tsenam-panjakana, haitarika na “management et leadership”, ny fampivoarana ny tena na “developpement personnel”, ny tetikasa sy fanavaozana ary fananantany. Lesoka mahatonga ny olana ara-tany ho betsaka eny amin’ny tribonaly izao voalohany indrindra dia ny tsy fahaizan’ny olona dingana tokony arahana. Na hividy tany na manana tany lova na hangataka tany amin’ny fanjakana io. Mahatonga olana amin’ny fiarahamonina izay matetika. Izay no antony hanomezanay fampiofanana momba izany. 2 volana izao no nisokafan’ity toeram-piofanan’ny YS Group eto Ampefiloha ity dia io resaka ara-tany io no tena hita ho mahasarika ireo mpiofana. 240 isa eo no mpiofana ato fa ny voasariky ny resaka fananan-tany dia eo amin’ny 40 isaky ny andiany eo. Maherin’izay no misoratra anarana saingy io moa no fetra napetrakay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Yves Raheriniaina
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT