Fampianarana

INSCAE sy ny YALI Hanofana ireo mpandraharaha tanora sy madinika


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Hanome fiofanana ireo tanora mpandraharaha sy ireo mpandraharaha faran’izay madinika eto amintsika ny sekoly ambony INSCAE etsy amin’ny 67 ha sy ny Yali, fikambanana tsy miankina iray izay manampy sy manohana ireo tanora Malagasy ho lasa mpitarika.

 

Tanjon’izy ireo ny hahafahan’ireo mpandraharaha madinika miakatra amin’ny ambonimbony kokoa hanatsarany ny asa fihariany ka ho an’ny sekoly ambony INSCAE dia ny resaka fitantanana no hanomezany fiofanana ao anatin’izany. 2 hatramin’ny 5 andro no faharetan’ny fiofanana ho an’ny mpandraharaha iray raha olona manodidina ny 5.000 isa kosa no kendrena hahazo tombontsoa. Nomarihin-dRtoa Rakotoarimino, talen’ny sekoly ambony INSCAE moa fa izao no hatao dia entina hanasoavana sy hanampiana ny mpiara-belona, indrindra fa ireo tanora mpandraharaha. Tontosa soa aman-tsara omaly tetsy amin’ny 67 ha ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT