Fampianarana

Injeniera informatika malagasy Hararaotin’ny vahiny


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Miisa 15.000 eo ho eo ireo asa mivantana foronin’ny sehatry ny teknolojia eto amintsika raha 60.000 no tsy mivantana, araka ny tarehimarika nampahafantarin’ny rafitra Goticom, izay isan’ny miompana amin’izany eto amintsika, tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly.

 Ny olana mitranga amin’izao fotoana, hoy izy ireo, dia fantatr’ireo vahiny fa manankarena injeniera mahay sy mora miasa ny Malagasy ary saika isan-taona dia misy amin’izy ireny no alain-dry zareo hiasa any ivelany ary tsy averiny intsony. Anisan’ny andrahonan’ireo vahiny antsika, ohatra, ny hoe tsy omena Visa ny malagasy. Hararaotin-dry zareo karamaina amina karama antsasaky ny tokony ho anjarany koa ireo malagasy rehefa tonga any ka raha mandray 5000 euro, ohatra, ny vahiny dia ny an’ny malagasy 2500 euro kanefa ny hofan-trano 1000 euro. Mbola miampy ny vidin-tsakafo sy ny hafa ny fahasahiranana, hoy ry zareo. Vokatr’io fangalaram-pahaizana na « fuite de cerveau » io dia an-tapitrisa dolara no vola tokony hiditra amin’ny fanjakana lasa very eto amintsika. Tsy ekena intsony izany, hoy ny Goticom, ka hanao fanentanana sy hiara-kiasa amin’ny fanjakana sy sehatra tsy miankina izahay hitady izay fomba hampitsaharana azy io.

J. Mirija/ Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT