Fampianarana

Imerimanjaka Antanetibe Mahazaza Mahitsy Nahazo EPP vaovao manara-penitra


  • Talata 06 Novambra 2018

Mbola betsaka amin’ireo ankizy ao amin’ny fokontany Imerimanjaka, kaominina Antanetibe Mahazaza Mahitsy no tsy afaka mandia ny varavaran-tsekoly amin’izao.

 Noho ny tsy fahampian’ny  fotodrafitrasa handraisana azy ireo no antony mahatonga izany, indrindra fa ny sekoly ambaratonga fototra. Mba ho fanampiana azy ireo ary dia notoloran’ny “Association les Lémuriens de Madagascar”  sy orinasam-pifandraisana Telma EPP vaovao mahatanty rivodoza  izy ireo.  Ny  herinandro teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, ahitana efitrano miisa roa, mahazaka mpianatra 40 isanisany. Tonga nanatrika ny lanonana ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ny dokotera Feno, notarihin’ny filohan’ny fikambanana Randrianarison Henry Tsoka. Ny mba hahafahana miady amin’ny fahantrana eto amintsika sy tsy habadoana no tena tanjon’ny fikambanana amin’izany,  indrindra fa any amin’ireo kaominina ambanivohitra toa an’Antanetibe  Mahazaza. Tsiahivina  fa any Nantes France no misy ny foiben’ny fikambanana.  Any Antanetibe Mahazaza kosa no misy izany raha eto Madagasikara no resahina, tarihin-dRakotoarimanana Estelle, filoha  nasionaliny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT