Fampianarana

Holafitry ny sekoly ambony mpampianatra ho mpitsabo Hanenjika ireo sekoly tsy ara-dalàna


  • Zoma 22 Septambra 2017

Iray volana lasa izay no tafatsangana teto amintsika ny holafitry ny sekoly ambony mampianatra ho mpampivelona sy ho mpitsabo.

Nandritra ny  fivoriana notanterahin’ireo sekoly ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana  manana fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony no nahafahana nanangana azy. Efa eo am-pandrafetana izay ho mpikambana eo anivon’ny birao maharitra ao anatin’ny  holafitra  izy ireo ankehitriny hahafahana mitsinjo ny tombontsoan’ireo sekoly ambony ara-dalana, raha araka ny fanazavan-dRasolonatoandro Mampionona, mpikambana eo anivon’ny holafitra. Ireo sekoly tsy ara-dalàna  dia manembantsembana ny fisiany satria iretsy voalohany  indray no mandrafitra ny lalàna hifehy ny oniversite ara-dalàna rehetra eto Madagasikara. Na eny am-panaovana fianarana asa   ( pratique ) aza dia tafiditra ny mpianatr’izy ireny izay tena misy fepetra be dia be tokoa ny fahafahana mandray anjara amin’izany. Tsy hijanona eo intsony anefa ny tantara, satria hisy ny fanenjehana azy ireny sy ny fanadihadiana hatao toy ny hoe : kolikoly avy aiza no hahafahany mandray anjara amin’izany satria ain’olona no lalaovina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT