Fampianarana

Hiverina hianatra ny mpianatra Feno ny fepetra, hoy ny minisitera


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Feno tanteraka ny fepetra hahafahantsika mampiditra indray ireo zanatsika hianatra amin’ny alatsinainy 6 novambra, indrindra ireo sekoly niato noho ny antony efa fantatsika,

hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazana, Tsitoara Serge Thierry. Efa mitsangana eny amin’ny sekoly ny antsoina hoe “Comité de vigilance”, ny “sale d’isolement” ary misy ny fampahafantarana ny tokony hatao manoloana ny pesta. Efa misy ihany koa ny fametrahana ny fitaovana toy ny fitsapana hafanana, ny fonon-tanana, fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fepetra napetraka. Inona no hatao mialoha ny hidiran’ny mpianatra ? Inona no hatao raha misy olona voa ? Raha manaraka ny fenitra izay napetraka ny sekoly tsirairay dia mino izahay fa kely dia kely ny herijika hisian’ny aretina. Amin’ny alatsinainy 6 novambra dia hisokatra daholo ny fampianarana manerana an’i Madagasikara fa misy fepetra tandrovina mialoha. Hiova kely ny tetiandrom-pampianarana ho an’ireo ZAP sy CISCO voakasiky ny valanaretina fa ny fanadinam-panjakana kosa dia tsy miova ny daty.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT