Fampianarana

Hetsiky ny SECES nasionaly Tsy nanotrona ny sampana Antananarivo


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy na ny Seces nasionaly fa efa

 

afaka nisitraka ireo zo aman-kasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra voafaritry ny didim-panjakana 2009-1214/1215/1216 izy ireo ary mbola manantena ny fitohizan’ny fifampidinihana amin’ny fampiharana ny ampahany ao amin’ny andininy faharoa ao amin’ny didim-panjakana 2009 – 2015, sy ny famahana ireo olana ara-tany manerana ny anjerimanontolo sy ny tobim-pikarohana eto amin’ny firenena. Melohin’ny Seces koa ny fikasihan-tanana mpampianatra toy izay nitranga tany Mahajanga farany teo ary miantso ny tompon’andraikitra mba handray fepetra. Nohamafisin’ny sendika ihany koa fa ny filankevitra nasionalin’izy ireo ihany no afaka manala olona tsy ho mpikambana ao anaty sendika. Tsy nisy tazana nandritr’ity fihaonana ity moa ny solontena avy amin’ny Seces Tana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT