Fampianarana

Hentitra ny SECES Antananarivo « Tsy hanao afatsy ny fetr’ora faritan’ny lalàna sisa izahay »


  • Zoma 12 Novambra 2021

Manohy hatrany ny fitakiana ny zo sy hasin’ny mpampianatra ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo.

 Nihaona sy nivory tao amin’ny efitra Amphi 24 ao ao amin’ny Fakioliten’ny Soratra sy ny Siantsa maha olona izy ireo omaly alakamisy 11 novambra, ka nandray fanapahan-kevitra maro. “Mba hialana amin’ny fanasoketana sy ny fandotoana ny Sendika lazaina fa tsy mitaky afa-tsy vola, manimba ny fiainan’ny zana-bahoaka,… dia nanapa-kevitra tsy hanatanteraka afatsy ny fetr’ora tsy maintsy tanterahina eo amin’ny asa na ny « obligation de service” voafaritry ny lalàna manan-kery ihany ny SECES Sampana Antananarivo », hoy ny Filohany Pr Ravelonirina Sammy Grégoire. Tsiahivina fa ampahany tamin’ny ora fanampiny na « heures complémentaires » tamin’ny 2017-2018, ny 2018-2019, ary ny 2020-2021 no mbola tsy naloan’ny Fanjakana. “Tsy higrevy intsony na hanao fitakiana momba ny “heures complémentaires” na “vacation”, fa tsy hanao afatsy ny fetr’ora takiana”, hoy ny Filohan’ny SECES nanamafy. Izany no atao, hoy izy, dia hampisehoana eo imason’izao tontolo izao fa tsy ampy ny mpampianatra ka mila fitondram-panjakana handray ny andraikitra manandrify azy eo amin’ny fanaovana “recrutement massif” sy ny fandoavana ara-potoana ny vokatry ny asan’ireo mpampianatra an-tselika na “vacataire” sy ny ora fanampinyho an’ny mpampianatra raikitra. Mihoatra ny 50% ny fahabangana misy eo amin’ny mpampianatra sy mpikaroka. Mizaka ny tsy eran’ny ainy ny mpianatra satria hisy fampianarana be dia be tsy hisy mpampianatra intsony. Miisa 2600 eo ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana ny Nosy, taorian’ny fampidirana mpampianatra miisa 100 nataon’ny Minisitera. Ny SECES Antananarivo fotsiny anefa araka ny kajy nataony dia mbola mila mpampianatra miisa 3000 eo raha ny kajikajy raha toa ka ilay oniversite efa nisy hatramin’izay no resahina. Efa nihena hatrany, 55 taona ny salan-taona ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, raha toa ka 53 izany tamin’ny taona 2014. Ankoatra izay, tapaka ary neken’ny SECES Antananarivo ihany koa fa hotanterahina eto Antananarivo ny Kongresy Nasionalin’ny SECES amin’ny tapaky ny desambra, ka hifampidinihana amin’ny Sampana hafa ny daty raikitra. Ny 02 desambra ihany koa ny fifidianana hifidianana ireo mpikambana SECES Sampana Antananarivo.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT