Hanala azy vita BEPC

Mampitandrina ny zandary


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Mampitandrina ny zandary amin’ity ditran’ny ankizy ankehitrio ity. BEPC tsy am-paosy akory ka hanala azy aho

hanala azy, hoy ny fanentanan’ny CIRGN Antananarivo! Azafady, hoy ny fanentanana, fa any anaty biraon'ny zandary ianareo no miandry ny valin'ny BEPC-nareo raha vao mitapitapy eo. Aza tratra any anaty «Bar» na «Chambres», hoy ihany ny fananarana, fa dia ho hitanareo eo tokoa! Sao dia hoe vita ny taranja anglisy amin’ny alakamisy dia ny alikaola sy ny sipa sahady no hanalana azy? Ny ray aman-dreninareo sasatry ny manome 1000 Ariary atao ody ambavafo na «goutté». Mitotototo mihitsy, hay hangoninareo hisotroana toaka sy ampirevena sipa sahady na hoe hanalana azy! Mbola tsy fotoanan’izany izao. Aoka aloha rehefa miasa. Rendrarendra sy fahafinaretana ve no atao vao vita ny fianarana? Ny ankamaroanareo anie ry zandry ka mbola zaza tsy ampy taona daholo e! Tsy misy manana karatra akory. Mety hoe marina ny anareo fa hoe mba maka rivotra kely rehefa vizaky ny fianarana herintaona ngarangidina. Mba mivoaka kely miaraka amin'ny namana sy mitsangatsangana. Tsy maninona!Mety raha izay. Tsy olana. Fa ny hoe ho any amin’ny «Bar» sy «Chambres» kosa, ataovy moa. Tsy hatao antony hampiarahana amin'ny sipanareo ny fahavitan'ny BEPC. Tsy ataonareo fika hidirana Bar. Mananatra anareo ny zokinareo zandary,hoy hatrany ny fananarana sy fampitandremana nataon’ny zandary!

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT