Fampianarana

Haingo Rasolofonjoa Haverina ny hasin'ny fampianarana


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Nasain’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo, sampana sosiolojia eny Ankatso ny kandida filoham-pirenena Haingo Rasolofonjoa ny tolakandron’ny sabotsy 01 septambra teo.

Fomba fanaon'izy ireo ny manasa vahiny toy izao ka tao amin'ny Campus DEGS no nifamotoana. Liana amin'ny hevi-baovao entin'ny kandida, izay tanora nilatsaka hofidiana, ireo mpianatra, liana amin’ny resaka liberalisma. Nahitsy ny tenin’i Haingo Rasolofonjoa teto fa laharam-pahamehana ho azy ny fanabeazana. Miharatsy ny fampianarana eto Madagasikara, mandalo sivana maro vao afaka mianatra amin'ny oniversite any ivelany ireo te hanohy. Harenina ny hasin'ny fampianarana ary hisehatra asa ny mpianatra mahavita fianarana dia handray asa avy hatrany, hoy hatrany ny fanazavany. Dinidinika misokatra ho an'ny rehetra no nataony io sabotsy io. Nohamafisiny fa haverina ny hasin'ny fampianarana atao izay hampitovy an’i Madagasikara amin'ny firenena rehetra amin’ny rafitra sy fampianarana. Mahafantatra ny zava-misy any amin’ny firenena hafa izy, izy rahateo nianatra tany Etazonia sy Frantsa. Notsiahiviny nandritra ny fihaonana tamin’ny mpianatra teny Ankatso io sabotsy io fa teto Madagasikara no nianatra ary novolavolaina tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe i Thomas Sankara, filohan’i Haute Volta izay lasa Burkina Faso ankehitriny. Mpikambana AREMA nanomboka tamin’ny 1976 hatramin'izao i Haingo Rasolofonjoa, tsy nivadika loko hafa. Minisitry ny fitantanam-bola tao amin’ny governemanta Mangalaza natolotry ny Amiraly Didier Ratsiraka izy tamin’ny 2009. Niverina tany Frantsa taorian’izay. Niverina niaraka tamin'ny Prezida Ratsiraka teto Madagasikara ny taona 2011 ary nanorina orinasa mampiasa olona 300. Tsy azo ekena, hoy izy ny fahasahiranan'ny firenena ka izany no antony nirotsahany hifaninana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, hanamboatra tsara ny tontolo ambanivohitra, hiady amin'ny kolikoly. Ny Antoko Avotra ho an'ny Firenena no nanolotra azy ho kandida, ary tohanana antoko miisa sivy sy sendika, ankoatra ny olon-tsotra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT