Fampianarana

“Gym Bac” teny Mahamasina Tovovavy mpiadina iray no bevohoka


  • Talata 30 Mey 2017

Nanomboka omaly alatsinainy 29 mey tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an’ireo sokajy A2 avy eo amin’ny foibem-panadinana lisea Andohalo sy Nanisana samy ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

  Tamin’ny 6 ora maraina dia efa rakotra mpiadina tao amin’ity kianja iray ity, natrehin’ny ray aman-dreny sy ny namana. Tamin’ny 7 ora kosa no nanomboka ny adina. Tovovavy mpiadina iray no naratra rehefa nanatanteraka ilay hazakazaka lavitr’ezaka 100 metatra raha tovovavy iray ihany koa no bevohoka ka  navadiky ny tompon’andraikitra hanatevin-daharana ireo mpanao teoria avy hatrany. Araka ny fanadihadiana natao dia mahatratra 74.550 ny isan’ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika ity adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ity ho an’ny eto an-drenivohitra. Miparitaka amina foibem-panadinana miisa dimy izy ireo ary kianja lehibe miisa efatra kosa no mandray azy. Hatramin’ny omaly folakandro dia nahatratra enina ireo mpiadina tsy tonga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izay fantatra fa mbola azo  raisina ihany raha mitondra taratasy fanamarinana avy amin’ny dokotera na antony hafa toy ny tsy fahazoany ny taratasy fiantsoana ara-potoana.  Tsiahivina fa tsy misy ahiana ny momba io tovovavy mpiadina iray naratra io. Efa noraisin’ny dokotera an-tanana rahateo ny fikarakarana azy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT