Fampianarana

Grevy eny Ankatso Tonga namono afo ny fanjakana


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Nihanafana ny rombo teny Ankatso omaly. Nitohy ary niha nahery vaika mantsy ny grevin’ny mpianatra mitaky ny hampiakarana 100% ny fampitaovana homena azy ireo isan-taona,

 izay tsiahivina fa 66 000Ariary amin’izao fotoana. Anisan’ny fitakiana ihany koa ny tambajotra “internet”. Nafana fa tsy toy ny 2 andro teo alohany ny fitokonana omaly. Toy ny fanaon’ireo mpianatra dia misy foana ny fitorahana sy fihantsiana mpitandro ny filaminana. Namaly tamin’ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso ny an-kilany rehefa tena nafana ny raharaha. Vokany, mpitandro ny filaminana iray no voa teo amin’ny fihirifany, ka naratra ary voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Nitohy hatrany ny fifandonana. Raikitra ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso. Nisy ireo mpianatra am-polony tsy maintsy nosavaina kanefa tsy nisy ny fisamborana na fihazonana vonjimaika hoy ny avy any amin’ny mpitandro filaminana.

Vahaolana fohy ezaka

Tetsy an-kilany, nisy ihany koa ny fivoriana nataon’ny solontenan’ny mpianatra sy ny avy eo anivon’ny Oniversite ary ny minisiteran’ny fampianarana ambony natao teny fiadanana omaly maraina. Nivoitra nandritra ny fifampidinihana fa vahaolana fohy ezaka aloha no tratra, ka ny resaka “connexion internet” no hovahana haingana. Noresahina ihany koa ny momba saram-pisoratana anarana izay somary lafo, ka antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny tetibola ho fampihodinana ny oniversite. Raha ny fanambaran’ny mpitarika fikambanana pedagojika tamin’ny alalan’I Vahatriniaina Andriamanantena, mpianatry ny Haisoratra taorian’ny fivoriana dia mitsahatra hatreo ny gravy. Maro anefa ireo mpianatra no miahiahy azy ireo ho mamono afo sy efa nahazo vola matoa tsy tanteraka akory ny fitakiana dia terena hajanona. Misy amin’ireo mpitarika fikambanana no tsy miady akory ho an’ny tombotsoan’ny mpianatra, hoy hatrany ireo nanaovana fanadihadiana. Maro no milaza tsy faly manoloana izany, ka ho hita eo hanaiky hanatsahatra ny fitokonana ny maro an’isa na hanara-dia ireo filohana fikambanana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT