Grevin’ny mpianatra

Nangotraka ny an’ny Politeknika, nanome 72 ora ny Siansa


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Nangotraka indray ny grevin’ny mpianatry ny Sekoly ambony Politiknika Vontovorona ny talata 30 aprily

teo noho ny antony maro, ka raikitra ny fandrehetan’afo sy fanakanan-dalàna,... ka voatery naiditra an-tsehatra ny Emmo-reg. Mpianatra iray no voalaza fa naratra Takian’izy ireo ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa sy ny Kalitaon'ny fampianarana eny anivon'ny sekoly. Maro ireo voalaza fa atony: fahanteran'ireo fotodrafitrasa anivon'ny "Campus" izay mety hitarika loza sy fahamaizana isan-karazany, ireo toeram-pidiovana "Douche + wc" izay efa tena tsy mendrika intsony ny ankamaroany, tsy fisian'ny « connexion internet » mifanaraka amin'ny fianarana, famoahana vatsim-pianarana sy fampitaovana na « équipement » 5 volana,... Nifanindran-dàlana tamin’io, namoaka fanambarana ihany koa ny Fikambanan'ny Mpianatra siantifika na ny FMSA eny Ankatso ka nitaky ny : hamoahana sary faran'izay haingana ny vatsim-pianarana 5 volana miampy ny fampitaovana ho an'ny 2023-2024, hijerena manokana ny « réclamations bourses » 2021-2022 sy 2022-2023, hiakaran'ny vatsim-pianarana eo anatrehan'ny vidim-piainana midangana, hijerena ny famatsiana rano izay olana foana eny amin’ny anjerimanontolo sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Nanome 72 ora ny Fanjakana hamahana ny olana, ary nilaza fa hiditra amin'ny fitokonana faobe manomboka anio ny 02 mey 2024 raha tsy mivaha ny olana. Andaniny, efa nivoaka ny tetiandron’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mikasika ny fizarana vatsim-pianarana manerana ny Nosy, ary nialohan’ny grevy aza io no voalaza fa efa fantatr’ireo mpitarika. Manomboka ny 6 may 2024 ny fizarana vatsim-pianarana telo volana miaraka amin’ny fampitaovana. Efa mipetraka ao anaty teti-bolan'ny Ministera, saingy maro ireo fepetra izay noraisina mba hanadiovana ny lisitr'ireo mpianatra tena tokony hisitraka ary nisy ny fampiasana ny rindram-baiko sy ny haitao ara-kajy mirindra nahafahana namoaka izany, ankoatra ireo lamina sy pitsopitsony amin'ireo dingana famoaham-bolam-panjakana, hoy ny fanazavana. Ny zoma 26 aprily 2024 lasa teo dia efa nandray ireo solontenan'ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny Minisitra mpisolo toerana Atoa Fidiniavo Ravokatra ary tamin'izany no nanazavana ireo lalan-tsaina sy ny zava-misy, ka niantso ireo mpianatra amin’ny fitoniana sy ny filaminana ny Minisitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT