Vehivavy iray sy ny zanany mbola kely, nody avy nanao vakansy, no voan'ny
tora-bato nataon’ireo mpianatra nigrevy noho ny delestazy tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy. Nivoaka ny faritry ny oniversite nanao fitokonana ireo mpianatra ny takarivan’ny alatsinainy teo, rehefa tapaka ny herinaratra. Nandeha ny tora-bato, ka niantefa tany amin’ny taksibrosy ho aty Antananarivo izay nisy ireto fianankaviana lasibatra. Tao anatin’ny haizina no nisian’ny tora-bato, ka bolongam-bato manodidina ny 4 ka hatramin’ny 5kg no niantefa tamin’ilay renim-pianankaviana izay niaraka tamin’ny zanany, raha ny fanazavana. Rehefa tena nojerena dia tsy naninona ilay zaza, fa ny ra tamin’ny mamany no nahavoa azy, raha ny fanazavana. Ilay renim-pianankaviana kosa no naratra be sy voatery naiditra ao amin’ny ORL (Oto-Rhino-Laryngologie) ao amin’ny Hopitaliben’i Toamasina, sampana ara-pitsaboana manokana mikasika ny aretin'ny sofina, orona, tenda. Tonga nijery azy ireo teny amin’ny hopitaly ny tompon’andraikitra avy amin’ny Oniversiten’i Toamasina, ka nambara fa handray an-tanana ny fitsaboana ary nanambara fa hisy fepetra hentitra horaisina amin’ireo nahavanon-doza. Nitohy tamin’ny fisiana fanambarana nanameloka ireo mpianatra satria nambara fa tsy misy ifandraisana amin’ny jiro tapaka ny fitaterana amin’ny RN2. Ratsy ny andro, simba ny jiro rehetra, samy lasibatra ny rehetra. Tsy mendrika amin’ny maha mpianatra fa asan-jiolahy, hoy ny fanamelohana ireo mpianatra. Nisy ny fivorian’ny avy amin’ny Oniversite sy ireo manam-pahefana niaraka tamin’ny OMC (Organe Mixte de Conception) manoloana ny zava-misy. Tena tsy mety ary tsy azo ekena ny herisetra, indrindra fa ny olona tsy manan-tsiny no lasibatra, ka lojika ny fandraisana fepetra hentitra. Na izany aza, manana adidy ny manam-pahefana isan’ambaratongany hamaha ny olana misesisesy sy tsy tena misy vahaolana maharitra toy ny resaka delestazy satria zary olana mandavan-taona io, tsy ao Toamasina ihany fa saika manerana ny Nosy. Betsaka ihany koa ny toe-javatra mampiharihary ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra, raha ny olana isan-tsokajiny eny amin’ireo anjerimanontolom-panjakana no jerena : vatsim-pianarana miandry grevy vao mivoaka, tambin-karaman’ny mpampianatra tsy voahefa, toeram-ponenana tsizarizary,… Satria tsy mampiana-janaka eny amin’ny oniversitem-panjakana ny ankamaroan’ny mpitondra ambony dia tsy maharototra ny olana maro marary ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha eny amin’ny anjerimanontolo ? Moa tena asian’ny mpitondra lanjany sy hasiny ve ny fampianarana sy ny fanabeazana eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.