Fampianarana

Gidragidran’ny anjerimanontolo 1 maty tany Toliara, nihetsika ny tao Fianarantsoa


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Nitohy ary nihamahery vaika ny grevy nataon'ny mpianatry ny oniversiten’i Maninday Toliara omaly maraina,

 

 

 taoriana hetsika efa nisiana fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny talata teo. Nosakanan'ny mpitandro filaminana tsy ho any an-drenivohitra ny mpianatra, saingy tsy nanaiky lembenana fa nanao barazy. Raikitra noho izany ny fifandomana nahery vaika tamin'ny 9ora ka hatramin'ny 11 ora mahery teo, araka ny vaovao avy any an-toerana. Nitora-bato sy nampiasa pilotra ireo mpianatra. Ny mpitandro filaminana nanapoaka grenady mandatsa-dranomaso sy nanao tifi-danitra, raha ny tatitra. Vokany, olona iray no maty izay voalaza fa voatifitra, ary nentina tao amin'ny hopitaly be ny razana tao Toliara ny razana. Rehefa naheno anio ireo mpanao fihetseketsehana dia nandoro tranon'ny mpampianatra iray teny Ankilahila Maninday. Nifamahofaho tanteraka noho izany ny toe-draharaha, ary raha ny tatitra omaly hariva, dia nisy 3 ihany koa naratra, tsy mbola voamarina kosa na mpianatra na tsia ilay namoy ny ainy. Nivory ny mpikambana ao anatin’ny filankevitra siantifika, fa ahato manomboka anion y fampianarana mandra-pahitana filaminana. Ankoatra an’I Toliara, raikitra ihany koa ny grevy tao amin’ny Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa omaly, nitaky vatsim-pianarana 5 volana. Nosamborina ny mpitarika ny mpianatra, raha ny vaovao azo.

GIDRAGIDRA SY HERISETRA HATRANY

 Omaly, nilaza ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Rtoa Assoumacou Elia Béatrice, fa nisy ny Fivoriana notarihinny Praiminisitra nahitana ny Minisitry toekarena sy ny vola sy ny Minisitry ny fampianarana ambony. Ny tapaka dia haroso ny fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny volana faha-5, izay misy ny efa nahazo, misy ny eo am-piazarana, ary misy ny an-dalana. Ny volana Faha-5-6-7 no ho raisin’ny mpianatra mialohan’ny fetim-pirenena. Hisitraka ny fampitaovana sy ny vatsim-pianarana tsy noraisiny ireo tara na “retardaire”. Tsy maintsy sitrahana feno ny vatsim-pianarana 9 volana mandritra ny taom-pianarana, izay hifarana ny jolay, ka amin’io volana io no handoavana ny volana faha-8 sy faha-9, hoy hatrany ny fanazavana. Ny an’ny mpandraharaha na ny PAT (Personnel Administratif et Technique), dia manao ezaka hatrany ny fitondram-panjakana ary handefa ny karama mialohan’ny fetim-pirenena. Efa eo am-pandinihana ihany koa ny mikasika ny « indemnité de technicité » miaraka amin’ny Ministera hafa voakasik’izany. Niantso ny mpianatra sy ny mpandraharaha manerana ny Nosy eo am-piandrasana ny fandaminana amin’ny fandoavana izany ny Minisitra. Miandry grevy, herisetra, faty olona, rà latsaka, fampiasan-kery hatrany, izay vao hoe: miezaka mamaha olana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT