Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso

Maherin’ny 5% no efa tsy mpianatra intsony


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Tsy vao izao no nahenoina ny hoe efa tsy mpianatra ety intsony kanefa dia mbola mipetraka amin’ny fonenan’ny

mpianatra ihany, hoy ireo filohan’ny mpianatra manerana ny faritra miisa 23 mianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso omaly. Aoka, hoy izy ireo, mba ho ny tena mpianatra amin’izany no hisitraka ny tombontsoa tokony ho an’ny mpianatra. Manodidina ny 5%n’ireo monina ety amin’izao fotoana izao dia efa tsy mpianatra ety intsony. Tena azo lazaina ho mibahan-toerana nefa ireo raha mitaha amin’ireo mpianatra nanao fangatahana trano nefa tsy nomena. Mety mbola ambonin’io tarehimarika io aza raha tena atao ny fanadihadiana. Misy antony matoa izahay mangataka ny fanesorana ireo mpanolontsaina tekinikan’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa satria voalohany dia mitarika fanavakavahana anay samy mpianatra izy ireo. Misy olona apetraka ho avara-patana dia misy an-jorom-patana ka tsy mety izany, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT