Fampianarana

Fonenana tsy ara-dalàna eny Ankatso Niroso tamin’ny fandrodanana ny CROU-A


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Miasa andro aman’alina ireo "agents de sécurité" eto anivon'ny CROU-A na ny sampan-draharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso,

 hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Ny alin'ny sabotsy lasa teo, nahatsikaritra fisiana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna an-dàlam-piorenana teny anivon'ny faritra misy ny toeram-ponenan'ny mpianatra eny Ankatso II izy ireo. Nandritra ny fifampiresahana, nilaza ho manana taratasy fahazoan-dàlana tamin'ny mpitantana ny ivotoerana efa tany aloha tany ireo andian'olona nanao ny asa fananganana ireo. Tsy nisy kosa ny taratasy fampahafantarana nandalo teo anivon'ny fitaleavan'ny CROU-A, izay tsy maintsy miampy fananana "titre" sy "permis de construire". Manoloana izany, nidina teny an-toerana ary niroso tamin'ny fandrodanana avy hatrany ilay fotodrafitrasa tsy ara-dalàna ireo mpiasan'ny CROU-A izay miandraikitra ny filaminana omaly maraina. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Talen'ny CROU-A, Mamisoa Aina nandrindra ny asa ary notronin'ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nanamafy ny tenany fa tsy azo ekena ny gaboraraka toy izao ary miezaka mandrakariva ny CROU-A mijoro mandray ny andraikiny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT