Fampianarana

Fokontany Antanambao Ivato Hahazo EPP vaovao


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ao anatin’ny kaominina Ivato amin’izao, tarihin’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa. Notanterahina omaly indray ny hady fototry ny EPP vaovao ao amin’ny fokontany Antanambao.

 Nitarika ny lanonana tany an-toerana  ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, asa  ezahina hovitaina ato anatin’ny telo volana.   Misy efitra enina ity EPP vaovao ity, mahazaka mpianatra hatramin’ny 240 ka ny antsasany mianatra maraina, ny ambiny mianatra hariva. 40 tapitrisa Ar no vola natokana hananganana ny fotodrafitrasa, famatsiam-bola madiodio avy amin’ny kaominina vokatry ny hetra naloan’ny isan-tokantrano. Tsy maintsy averina amin’ny vahoaka ny tombontsoa azo avy amin’ireny, hoy ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony,  raha mbola hiandrasany ny malala-tanana kosa ny fanolorana ireo karazam-pitaovana toy ny dabilio sy ny seza hampiasain’ny mpianatra. Tsiahivina fa  any amin’ny EPP  Ivato tanàna na Mandrosoa  no manenjika mianatra ireo ankizy madinika ao amin’ity fokontany iray ity  izay marihina fa zanaky ny sahirana ara-pivelomana ny ankamaroany. Faly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT