Fampianarana

Foana ny diplaoma "Maitrise" Velon-taraina ny mpianatra toekarena


  • Zoma 22 Desambra 2017

« Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny izahay amin'ny olana misy aty aminay, indrindra ny ao amin'ny sampana toekarena », hoy ny filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Rafaliherisoa Safidy Obien, omaly.

Tojo olana izy ireo, indrindra eo amin'ny fampiharana ny rafitra LMD (Licence Masters Doctorat), voakasika manokana ireo nahavita "Licence" ao amin'ny taona faha-4, izay mihevitra ny mbola hahazo "maitrise" atsy ho atsy. Efa nambaran'ny minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa anefa ny fitsaharan'ny fanomezana io mari-pahaizana io noho ny fampiharana ny LMD, ka aorian'ny "Licence" dia ny "Master" avy hatrany. Olana ny fanambaran'ny minisitera fa tsy afaka manao fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ilana "maitrise" intsony ny mpianatra, raha tsy manana ny "Master" fa nisy famindrampo kely ho an’ny mpianatra amin'ny fakioltean'ny DEGS (Lalàna, Toekarena, Fitantanana, Hai-fiarahamonina), izay afaka manao fifaninanana amin'ny taona 2018 ihany, hoy hatrany io filohan'ny mpianatra io. Raha tsy mahazo ny "Master" izahay dia tsy afaka hanao fifaninanana ara-panjakana intsony aorian'io 2018 io, hoy izy. Tsara kosa ny manamarika fa saika ny sampam-pampianarana rehetra no tsy mamoaka mari-pahaizana "maitrise" intsony. Manankery hatrany anefa ho an'ireo efa manana fa tsy  foana rehefa tsy mamoaka intsony ny fanjakana. Miantso ny tompon'andraikitra hanokatra ny taona faha-5 ihany koa izy ireo satria handoavam-bola hatrany amin'ny 2.400.000Ar ny fanohizana ny fianarana ho an'io taona io. Hangatahan'izy ireo ny hanokafana ny taona faha-5 tsy handoavam-bola, izay mikatso amin'izao fotoana. Raha izao no mitohy dia ho tahaka ny taona fotsy ho anay ity taona ity, hoy hatrany Rafaliherisoa Safidy Obien.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT