Fampianarana

FLSH sy DEGS -Ankatso Efa-bolana tsy nandray vatsim-pianarana


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Velon-taraina sy mimenomenona noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo vatsim-pianarana efa ho efa-bolana ny mpianatra ao amin’ny Sampana Haisoratra sy ny DEGS eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

  Nilaza kosa anefa ny filohan’ny oniversite Pr Panja Ramanoelina fa efa vonona ny vola fa miandry ny fandaminan’ny lehiben’ny departemanta isanisany ny famoahana azy. Inona no antony tsy hizarana azy raha efa ao tokoa ny vola ? Mety misy ve ny fanodinana hakana tombony vao zaraina ? Miandry fitokonana ve ny tompon’andraikitra vao handray andraikitra manoloana ny fitarainan’ny mpianatra ? Ireo mpitarika fikambanana ara-pedagojika etsy an-daniny toa tsy taitra sy tsy mihetsika manoloana ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao, raha ny fanamarihan’ny mpianatra avy amin’ny Sampana haisoratra, ka maro no manome tsiny hoe tsy miady ho an’ny mpianatra ary mamono afo mihitsy. Paikady napetraky ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny Fiadidian’ny anjerimanontolo kosa anefa ny hoe hanomezana vahana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra, saingy toa fampandriana adrisa no betsaka raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpianatra tsotra hatrany. Somary hentitra kosa anefa ny fandrangarangana sazy na ny fiakarana fitsipi-pifehezana, ka aleon’ny mpianatra miandry ny rariny sy ny hitsiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT