Fampianarana

Fizarana “kits scolaires” Notohizan’i “Faly Roi Lion” tao Arivonimamo


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Taorian’ny tao Imerintsiatosika dia tany Arivonimamo tao amin’ny kaominina Morarano indray no nanatanterahan’i Faly Andrianafetra Robinson na i Faly Be (Le Roi Lion) tompon’ny SRK eny Imerintsiatosika ny fizarana “Kits scolaires”, sac à dos, cahie, penina,,...

 ho an’ny mpianatra. Mpianatra miisa 140 ao anatin’ny taona faha-5 (7ème) tamina fokontany 5 no nahazo izany, dia ny tao amin’ny EPP Mandrosoa, Morarano, Mangabe, Ambatofotsy,… Tamin’ity indray mitoraka ity dia niaraka tamin’ny VIVO ENERGIE no nanampy ity mpandraharaha ity tamin’izao fizarana fitaovam-pianarana hitsinjovana ny ireo mpianatra. Tsy vao izao no nahafantarana an’i Roi Lion tamin’ny resaka fanampiana sy fitsinjovana ireo mpiara-belona aminy any amin’iny faritra iny. Izy rahateo avy any an-toerana, ka miezaka ny tsy hikely soroka raha mbola misy ny hoenti-manana sy azo hatolotra am-pitiavana ho fampirisihana ireo taninketsan’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT