Fampianarana

Fizarana « contrat » Mpampianatra Be ireo voatery nitrosa niakarana aty Antananarivo


  • Zoma 15 Septambra 2017

Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina anio, ny lanonam-panjakana hizarana ireo fifanarahana arak’asa (contrat de travail) an’ireo mpampianatra FRAM horaisina ho mpiasam-panjakana. Andiany fahefatra ity, ary ny avy amin’ny Faritra 22 no nakarina eto an-drenivohitra.

 

 Hentitra ny baiko fa tsy maintsy tonga ao amin’ny Palais daholo ny olona handray ny “contrat”, f’izay tsy tonga dia mampamangy. Namorona ny tsy misy mihitsy ny ankamaroan’ireo mpampianatra ireo natao saran-dalana sy sakafo niakarana aty Antananarivo. Saran-dalana fotsiny no efa 80.000 Ariary isan’olona ho an’ny avy any Antsohihy Faritra Sofia. Mbola ivelan’io ny vidin’ny akanjo mitovy nampanaovina azy ireo sy ny sakafo. Misy ihany ny “indemnité” homena azy ireo nefa na ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena aza manahy ny tsy hahatongavan’ny vola fanampiana eny am-pelatanan’ireo mpampianatra vao horaisina mpiasam-panjakana ireo. Misy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ity minisitera ity koa milaza fa azo atao tsara ny manao ny hetsika isaky ny Faritra mba tsy handaniana vola be. Betsaka rahateo ireo sekoly simba sy dabilio potika ilaina fanamboarana maika hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra, ka naompana amin’izany ny vola lany amin’ity fety atao etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina anio ity.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT