Fampianarana

Fivoaran’ny teny Anglisy Tsy maharaka ny mpampianatra Malagasy


  • Talata 21 Mey 2019

Nanomboka omaly tetsy amin’ny CCI Ivato ny fiofanana izay karakarain’ny masoivoho sy ny departemanta Amerikanina misahana ny fampiroboroboana ny teny Anglisy an’i Afrika Atsinabana. Mpampianatra teny Anglisy miisa 381 avy amin’ireo faritra 23 manerana ny nosy no nanaraka izany.

 

 

 

Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’ireo mpampianatra teny Anglisy eto Madagasikara ary ny hanomezana azy ireo ny toromarika azy mahakasika ny fivoaran’ny teny izay entina mampianatra. Maro amin’ireo mpampianatra teny Anglisy mantsy no tsy maharaka intsony ny fivoaran’ny teny izay hampianarina. Izany no antony nikarakaran’ny Masoivoho sy ny departemanta Amerikanina zaikabe izay entina hanampiana ireo mpampianatra teny Anglisy mba hampitombo ny fahaizana sy ny fifehezana ny taranja ampianarin’izy ireo. Anisan’ny horesahina mandritra ny fiofanana ny fampiroborobona sy ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana teny Anglisy vaovao ho an’ireo Lisea eto Madagasikara. Tsy mijanona amin’ny teny Anglisy ihany fa mivelatra amin’ny fahaiza-manao izay mety ilain’ny ankizy sy ny tanora mba hahafahany miatrika ny sehatry ny asa any aoriana ihany koa ny fampiofanana omena ireo mpampianatra. Haharitra roa andro ity zaikabe ity ary mpampianatra teny Anglisy avy amin’ny fanjakana sy ny sekoly tsy miankina manerana an’i Madagasikara no manaraka ny fiofanana. Marihina fa ireo nivoaka avy tamin’ny sekoly manofana ho mpampianatra (ENS) ihany no voaantso aloha tamin’izao fiofanana izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT