Fampianarana

Fivoaran’ny teknolojia eto Madagasikara Mila jeren’ny fitondrana akaiky, hoy ny manampahaizana


  • Talata 11 Jona 2019

Efa tsy afaka mandeha irery intsony izao ny tontolon’ny informatika fa tsy maintsy miaraka amin’ny elektronika, io ilay antsoina hoe “informatique embarqué”, hoy ny manampahaizana momba izany, Solo Rakotondrianja.

 

 

 Any amin’ny tany mandroso dia misy fitaovana be dia be ianarana momba izany. Izany hoe mizotra any amin’ny tontolon’ny fampiasana “robot” na “robotique” tsikelikely izao tontolo izao, araka ny fanazavany. Tokony hampianarina izany koa ny eto satria tsy azo hihodivirana io, hoy izy. Mbola any amin’ny ambaratonga ambany dia efa zarina mamorona praograma kely, araka izay tiany ireo kilonga. Lalana mitondra fahalalana ho an’olona tsirairay ny informatika rehefa hay ny mampiasa azy ary rehefa manam-pahalalana ny olona iray dia afaka mampitombo ny sanda ao amin’ny fireneny na ilay antsoina hoe “valeur ajouté”, raha eo amin’ny lafiny toekarena, ary afaka mamadika izay fahaizany izay ho vola mivantana ho an’ny fireneny. Eto amintsika dia mitombo ny mpampiasa informatika saingy maro ireo mandika lalàna noho ny fitomboany ara-pitaovana fotsiny fa tsy ara-pivelarana. Hany ka voasarika amin’ny fanaovana piraty ireo mahay mikitika masinina. Tokony hojeren’ny fitondrana manokana io fivoaran’ny teknolojia io, hoy izy. Tontosa ny sabotsy teo teny Ambohipanja, Ankadikely moa, ny fampirantiana nataon’ireo mpianatry ny lisea eny an-toerana momba izay sehatra izay.

J. Mirija

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT