Fampianarana

Fiverenan’ny fampianarana Mailo hatrany ny LTC Ampefiloha


  • Talata 07 Novambra 2017

Niverina nianatra nanomboka omaly 06 novambra ny sekoly rehetra, izay voatery nahatsahatra ny fampianarana noho ny fisian’ny valan’aretina pesta.

 

 Fanombohana ny taom-pianarana 2017-2018 mihizy ity ho an’ireo sekoly rehetra nanaraka ny toromariky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ho an’ny sekoly LTC Ampefiloha, izay tantanin’Atoa Ranaivo José Emmanuel, dia ny fakana ny fanadaharam-potoana amin’ny fampianarana na ny « emploi du temps » no nisantarana izany. Efa nisy ny fandrarahana DDT ho an’ny kilasy rehetra raha vao nanomboka niandoha ny valan’aretina pesta. Amin’izao fidirana izao kosa dia efa mitsangana ny « comité de vigilance » mba ho fiatrehana momba ny tranga mety tsy hampoizina, ary efa vonona  ihany koa ny « salle d’isolement » miisa 2 handraisana an-tànana ireo mpianatra ahiahiana ho tratry ny valan’aretina na toe-javatra hafa mifandraika amin’izany. Fepetra noraisina ny fanajana hatrany ny fahadiovana ka tsy maintsy manasa tànana ny mpianatra mialohan’ny hidirana any an-dakilasy. Misy ihany koa ny fanentanana amin’ny tsy handehanana any an-tsekoly raha vao misy tranga mampiahiahy ho an’ireo mpianatra, ary eo ankilan’izany, dia mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tonga dia vavany ny fampianarana ho an’ny LTC Ampefiloha anio 7 novambra, ka hianatra avokoa ny mpianatra ao amin’ny taona voalohany sy faharoa ary fahatelo. Marihina fa misy ny mari-pahaizana BTS (Brévet de Téchnicien Superieur), BACC + 2 aorian’ny Bakalorea ho an’ireo mpianatra manovo fahalalana ao amin’ny LTC Ampefiloha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT