Fampianarana

Fiverenana an-tsekoly Mila hentitra ny “Comité de vigilance”


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Namoaka fanambarana omaly ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa efa feno ny fepetra rehetra hahafahan’ny mpianatra miverina an-tsekoly,

ho an’ireo fari-piadidiam-pampianarana sy ZAP nahitana ny valanaretina pesta teto amintsika. Tsy miova fa amin’ny alatsinainy 6 novambra ho avy izao izy ireo no handia ny varavaran-tsekoly indray  taorian’ny fiofanana nomena ireo lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana, ny sefo ZAP, ny talen-tsekoly ary ireo tompon’andraikitra maro samihafa. Nambaran’Andriamatoa Tsitohara Serge Pierrot, talen’ny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa nisy ireo lamina efa napetraka tsy maintsy arahina hitandroana ny fahasalaman’ny ankizy mpianatra. Anisan’ireny ny fisian’ilay efitrano mitokana handraisana an’ireo ankizy ahiana amin’ny aretina pesta, ny fananganana ilay “comité de vigilance” izay handray an-tanana manokana ny fitsapana ny hafanan’ireo mpianatra eo am-pidirana sy hikarakarana azy ireny amin’ny fanosorana ilay ranom-panafody  madity famonoana mikraoba…Nisy moa omaly ny fanoloran’ny orinasa Startimes ranom-panafody  famonoana bibikely 1.000 litatra sy fitaovana ahafahana manadio faritra mirefy 1.000 metatra hifaneraseran’olona  manodidina ny 167  isa  ka  efitrano fianarana miisa 167 no hahazo tombontsoa amin’izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT