Fampianarana

Fiverenan-dakilasy Malalaka hanapa-kevitra ny sekoly tsirairay


  • Talata 25 Aogositra 2020

Andro sisa no isaina dia higadona ny fanadinam-panjakana. Izany hoe fotoana ny famerenan-desona izao ho an` ireo mpiadina na an-trano izany na an-tsekoly.

 

 

Manoloana izany dia nanome alalana ho an` ireo sekoly rehetra ny minisitry ny fanabeazam-pirenena raha tena ilaina ny fampiakarana ireo mpianatra an-tsekoly na tsia momba ny famerenan-desona. Torak` izany ihany koa ho an` ireo mpianatra tsy manala fanadinana. “Misy DREN nahavita programa satria tsy mitovy ny fepetra noraisina isaky ny faritra. Samy mandanjalanja ny fiverenan` ny mpianatra an-dakilasy ireo sekoly samihafa. Misy no misafidy mandefa lesona mifanaraka amin`ny teknolijia. Omena alalana ireo sekoly hamerina ireo zaza any an-tsekoly raha ilaina izany. Ho an` ireo mpianatra tsy manala fanadinana kosa dia tsy miova ny tetiandrom-pampianara izay didim-pitondrana noraisin` ny MEN 21 aogistra 2019. Manaraka izany ny sekoly tsirairay ka anjarany no manapaka izany”. Ho an` ny sekoly tsy miankina iray etsy Itaosy ohatra dia miverina an-dakilasy anio ireo mpianatra hanala CEPE ary mianatra maraina hatramin` ny hariva mihitsy ireo katita kely satria enina andro sisa ny hiomanana izany raha ny tetiandro navoakan` ny fanjakana ho an` ny faritra Analamanga.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT