Fampianarana

FITSARANA NY CEPE Mizotra araka ny tokony ho izy


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Nanomboka omaly alarobia 28 ny fitsarana ny fanadinana CEPE izay notanterahina ny talata teo manerana ny Nosy.

 

 Ho an’ny  foibem-panadinana CEG Ampefiloha manokana miaraka amin’ny lisea maoderna Ampefiloha dia nizotra an-tsakany sy an-davany izany. Tonga avokoa ireo mpitsara fanadinana miisa 153 raha ny fanadihadiana natao, asa haharitra roa andro. Misy mihitsy ny polisy miambina azy ireo mandritra izany. Nambaran-dRasoanjanahary Hery Vololona, anisan’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana fa aorian’ny fitsarana dia manambatra ny  taratasim-panadinana rehetra  amin’ireo taranja miisa fito natrehin’ny mpiadina tsirairay avy ireo mpitsara. Mampiditra ny naoty ao anaty solosaina izy rahampitso zoma ka eny amin’ny CEG Antanimbarinandriana no hanatanterahana ny asa.  Roso amin’ny fijerena ny naotin’ireo mpiadina tsara indrindra indray ireo mpikarakara aorian’io. Kasaina hivoaka mialoha ny alatsinainy kosa ny vokatra.  Tsy ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra anefa izany fa ho an’Antananarivo Renivohitra ihany aloha.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT