Fampianarana

Fitsarana ny BEPC Nitokona ireo mpampianatra ao Antsirabe


  • Zoma 07 Jolay 2017

Na nolazaina fa nilamina aza ny fanadinana BEPC tao Antsirabe dia farany vao nisy ventiny izany. Nitokona tsy nety hitsara ny laza adina mantsy ireo mpampianatra tokony hanao izany omaly tolakandro .

Nambaran'izy ireo fa misy ny fanambaniana ny maha mpampianatra azy ireo ka izany no tsy levon'ny vavon'izy ireo. Tsy mbola voaloa mantsy ny saran'ny fitsarana fanadinana tamin'ny taon-dasa raha ny nambaran'izy ireo fa ampandriana adrisa hatrany ny mpampianatra. Nambaran'ny solotenan'izy ireo fa hiverina ao amin'ny foibem-panandinana ihany izy ireo ny zoma amin'ny 8 ora maraina fa tsy hitsara ireo taratasim-panandinana. Raha ny fantatra dia tsy ireo mpitsara BEPC ireto ihany no mbola manana vola any amin'ny fanjakana fa ny mpitsara ny fanadinana tamin'ny CEPE ny taona 2015-2016 ihany koa sy ny saram-piandrasana ireo mpiadina tamin'io taona io dia mbola tsy azo ihany koa ho an'ny mpampianatra ny 7é, ary efa niampy ilay farany teo ihany koa izany. Raha ny nambaran'ny lehiben'ny farim-piadidiam-pampianarana - Vakinankaratra moa dia efa eo am-pikarakaraka izany hono ny tenany ka azo antoka fa tsy ho ela izany satria efa lany teny anivon'ny antenimierampirenena ary efa nankatoavin'ny HCC ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ka inoana fa tsy ho ela izany. Nitabataba moa ireo mpampianatra ary nilaza fa "angaha tsy efa homanin'ny fanjakana mialoha ny sarany rehetra tokony ho aloany amin'ny fanandinam-panjakana rehetra , ka hoe miandry kely foana e ".

 

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT