Fampianarana

Fitokonan’ny mpianatry ny Siansa Miisa 2 ireo naratra, mitohy ny tolona


  • Talata 16 Martsa 2021

Efa dimy volana izao, raha ny tatitra voarainay, no nirosoana amin’ny taom-pianarana vaovao tety Ankatso

 

 

 saingy mbola tsy azo ny fampitaovana sy ny vatsim-pianarana, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpianatry ny fakiolten’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Mahefasoa Raphael, nandritry ny hetsik’izy ireo teny Ankatso omaly. Tokony ho fampitaovana sy vatsim-pianarana 5 volana, noho izany, no raisinay, fara faha keliny, 4 volana, hoy ireo mpianatra nitokona. Maninona ny any amin’ny faritra sady mahazo fampitaovana no mahazo vatsim-pianarana 4 volana nefa ny eto Antananarivo tsy atao izany? Hitolona hatramin’ny farany izahay noho izany mandram-pivalin’ny fangatahana ary tapaka tao anatin’ny fivoriambe na AG fa tsy hanome fe-potoana na “ultimatum” intsony izahay satria efa ela no niandrasana. Sady miangatra ny minisitera no miangatra ny fitondram-panjakana satria 4 volana no omeny any amin’ny faritra nefa ny eto hoe 1 volana. Nanomboka tamin’ny 10 ora sasany maraina teo moa ireto mpianatra ireto no nitokona teo amin’ny Esplanade ary nidina nandoro kodiarana sy nanakana ireo fiara tsy hiditra ny faritry ny oniversite teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119 avy eo. Raikitra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, tokony ho manakaikaiky ny tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any, raha ny fanampim-baovao voaray avy amin’ireo mpianatra hatrany. Nitifitra niala 20 metatra fara faha lavitra ny mpitandro filaminana ka voan’ny bala teo amin’ny tongony ny mpianatry ny Ekonomia iray sendra nandalo ka voatery tsy maintsy notrotroina fa tsy afa-namindra ary voan’ny piti-bala teo amin’ny masony kosa ny mpianatry ny siansa iray, hoy hatrany ny fanazavana, ary avy hatrany dia nentina teny amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha moa ireto mpianatra miisa 2 ireto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT