Fampianarana

Fitokonana eny amin’ny oniversite Hanatevin-daharana ny Seces ny mpianatra anio


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Nanentana ny mpianatra rehetra sy ireo departemanta misy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly ny filohan’ireo

 

 

 

fikambanan’ny mpianatra mpikaroka mba ho tonga etsy amin’ny Esplanade Ankatso anio hiatrika ny fivoriambe fampahafantarana ny zava-misy eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy hametraka intsony ny hoe ampiakaro ilay vatsim-pianarana izahay, hoy ny mpitondra teny Taguê Ratianarivo, fa mangataka fandrindrana ny fizarana izany mba hisy tetiandro mazava ahafantaran’ny mpianatra ny fotoana tokony hiakarany aty am-pianarana, indrindra, ireo any amin’ny faritra. Mifandray ny hetsikay sy ny an’ny Seces satria mila mianatra izahay, hoy ireto mpianatra ireto. Te hianatra ny mpianatra ka mangataka ny hamahana ny olana haingana satria matiantoka sy lany vola ny zana-bahoaka, indrindra, ireo avy any amin’ny faritra.

J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT