Fampianarana

Fitokonan`ny mpampianatra Tsy miato raha tsy mivaly ny fangatahana


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Mitohy hatrany fitokonana ataon`ny mpampianatra amin`ny DREN manerana ny Nosy. Nilaza izy ireo fa tsy hitsahatra izany raha tsy mivaly ny fangatahana.

Efa nandefa taratasy mirakitra fitakiana eny amin`ny praiminisitra vaovao ireo mpampianatra ary nisy ihany koa ireo taratasy tany amin`ny depiote ho an`ny Fanovana. Araka ny fanazavan-dRakotondramanana Tiana Josoa, sekretera jeneralin`ny Syndicat autonome de Madagascar, dia tsy mijanona ny tolona raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Nohamafisiny fa olona ao amin`ny sehatry ny fanabeazana no mahavaly ny fitakiana natao fa tsy olona avy any ivelany. Raha mba olona manana traikefa no tonga ho minisitra dia hivaha ny olana. Na dia nanana finiavana aza ny minisitra Paul Rabary dia sarosarotra ny fifampiresahana teo aminy sy ny teknisianina. Nahatsapa kosa ny minisitra fa nisy zavatra tokony ho nohafainganina tao saingy tsy tanteraka noho ny tsy fifampiresahana. Araka izany, tsy misokatra ny fampianarana raha tsy tonga ny minisitra vaovao, vita ny fifanarahana, valiana ny tombontsoan`ny mpampianatra. Samy miandry ny fijoroan`ny governemanta Ntsay ny rehetra.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT