Fampianarana

Fitiavan-tanindrazana sy fampandrosoana Tanora 46 no nahavita fiofanana


  • Alatsinainy 13 Martsa 2017

Tanora miisa 46 mianadahy no nomen’ny masoivoho Amerikanina fiofanana marolafy nandritra ny fito herinandro ka navoaka tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo.

Anisan’ny nanofanana azy ireo ny asa fanaovan-gazety, ny resaka lalàmpanorenana izay asa samy miompana amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fampandrosoana avokoa, ny demokrasia, ny politikan’ny fitantanam-bola, indrindra fa fikarakarana ireo zaza tsy ampy taona manefa ny saziny eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Tanjon’ny mpanofana, hoy Andriantseheno ny hanomezana ny sehatra ny tanora hahafahany mandray andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, eo ihany koa ny fanairana ny hambom-pon’ny tsirairay amin’ny asa miompana amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana. Tsy hijanona hatreo fa handray ny andraikiny avy hatrany izy 46 mianadahy ireto izay notolorana ny mari-pahaizana nifandraika tamin’ny fiofanana nomena azy avy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT