Fampianarana

Fitarainan’ny mpampianatra Olana 23 no hitadiavam-bahaolana maika


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Mbola betsaka ireo olana sedrain’ireo mpampianatra eto amintsika na dia anisan’ny miantoka ny ho avin’ny taranaka Malagasy aza izy ireny. Ankoatra ny resaka “ grille indiciaire”

 

 

ho an’ireo mpampiasa efa mpiasam-panjakana dia mbola manana olana ireo mpampianatra FRAM amin’ny resaka karama raisin’izy ireo isam-bolana, ny fampitaovana…. Tsy nanao ambanin-javatra izany ny “Coalition Nationale Malgache pour l’éducation pour tous” na ny CONAMEPT omaly notarihin’ny mpandrindra nasionaliny Rtoa Huguette Rakotoarivony. Nisy ny hetsika notanterahiny nentina nankazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpanabe omaly tetsy amin’ny carlton Anosy. Sendika sy fikambanana ary vovonana hivondronan’ireo mpampianatra maro no nasainy tamin’izany izay nandefa solontena 5 isanisany. Nivoitra nandritra izany fa hisy ny fandrafetana kahiem-pitarainana iray vaovao hasolo ilay narafitra tamin’ny taona 2016. Raha araka ny fantatra mantsy dia misy amin’ireo fitarainana voarafitra tao anatin’ity kahiem-pitarainana farany ity no efa lasa daty nefa misy ihany koa ireo zava-baovao takian’ny fivoaran’ny toetr’andro tokony hampidirina ao anatiny. Natsangana ny komity hijery akaiky izany hahafahana manatsara ny fari-piainan’ireo mpampianatra mpanabe izany mba hanomezany kalitao tsara ny fanabeazana ireo zaza Malagasy. Tsiahivina moa fa hatolotra ny mpamatsy vola, ny primatiora, ny ministera isan-tsokajiny ity kahiem-pitarainana ity. Fitarainana vaovao miisa 7 indray moa no voaangon’ny CONAMEPT tany amin’ny Faritra Sofia raha mbola misy 16 isa ireo vao hitadiavam-bahaolana. Ny 4 tamin’ireo 20 isa teo aloha mantsy no efa nivaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT