Fampianarana

Fitakian’ny mpampianatra Nandamoka ny dinika teny Mahazoarivo


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Nanatanteraka diabe nihazo ny primatiora eny Mahazoarivo omaly ny solontenan’ireo mpampianatra mitokona avy amin’ny distrika 119 manerana ny Nosy.

 

Ho  fangataham-panazavana amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta manoloana ny tsy famalian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’izy ireo no antony, eo ihany koa ny fampahatsiahivina ireo fangatahana efa nataon’izy ireo hatramin’izay. Lohalaharana ilay vola 500.000 Ar isaky ny mpampianatra takian’izy ireo  izay ananany tolo-kevitra toy ny hoe tokony homena azy ireo aloha  ilay 100.000 Ar avy manomboka amin’ny faran’ity volana aogositra ity ary hampidirina amin’ny volana manaraka ny volana jolay ary hampidirina anaty didim-panjakana kosa ilay 400.000 Ar ambiny mba tsy ho lasan-ko vavany fotsiny. Ho an’ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM indray dia nilaza  ihany koa Atoa    Ramiandrarivo Aina,      Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana eto Madagasikara fa tokony hanao fihetsika kely ny fitondram-panjakana amin’ity taona 2018 ity ankoatra ny fampiakarana ny fanampiana omena ireo  mpampianatra FRAM… Nomarihin’ireto mpampianatra mitokona ireto fa raha ny fanapahan-kevitry ny minisitera dia olona hafa mihitsy no handray an-tanana ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity izay mety hitera-doza. Nandamoka anefa ny dinika teny Mahazoarivo io omaly io na dia efa naharitra ora maromaro ihany aza ny fifandresen-dahatra, tsy nisy ny marimaritra iraisana nivoaka. Tsy nisy tanteraka ny fitakiana, hoy ny solontenan’ny mpampianatra satria tsy niova hevitra intsony ny fitondram-panjakana. Nanamarika koa ireto mpampianatra ireto fa tsy nakan-kevitra ny amin’ny fomba hiatrehana ny fanadinam-panjakana ary manahy zava-doza satria mety ho ny Ben’ny tanàna, hoy Atoa Ramiandrarivo Aina no hatao lehiben’ny foibem-panadinana, ny mpiasan’ny kaominina no hatao surveillant, ny kartie mobile no mety hitsara ny fanadinana  fanambarana izay nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa nataon’ny talen’ny kabinetran’ny minisitera tany amin’ny Faritra SAVA ary mety hampiharina manerana ny Nosy mihitsy. Nomarihiny manokana fa nizara ny taratasy fiantsoana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana  any SAVA no anton-dian’ity tompon’andraikitra ity tany an-toerana ka nahafantaran’izy ireo izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT