Fampianarana

Fitakiana vatsim-pianarana Barazy teny Vontovorona, manome 72 ora Ankatso


  • Talata 30 Aogositra 2022

Taorian’ny grevy mahery vaikan’ny mpianatra tany Maninday, ny fitakian’ny mpampianatra nikarakara ny bakalorea ny tambin’ny asany,…

nihetsika indray ny mpianatra eny amin’ny Politeknika Vontovorona. Nitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana aogositra sy ny famoahana ny an’ireo mbola tsy nahazo vatsim-pianarana mihitsy izy ireo. Nanao sakana miisa telo be izao, nandoro kodiarana,… izy ireo omaly maraina, raha toa ka nanao tazan-davitra kosa ny mpitandro filaminana. “Nasaina nandefa ny lisitra sy nasaina nanao “reclamation” kanefa mbola maro ihany no tsy tafiditra anaty lisitra. Tara foana ny vatsim-pianarana, ny fiainana miaka-bidy ny vatsim-pianarana tsy miakatra ka mitaky ny hampiakarana azy, ny volana tokony hitsahina no handoavana ny vatsim-pianarana kanefa izao efa ho septambra tsy azo ny aogositra. Avereno amin’ny taloha rehefa tsy voafehy ilay alefa any amin’ny paositra”, hoy ireo mpianatra. Etsy ankilany, manome 72 ora ny Filoha, ny minisitera, ny tompon’andraikitra rehetra handoavana ny vatsim-pianarana ireo Fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Vatsim-pianarana hatrany amin’ny 6 volana mbola tsy mivoaka. Manahy izy ireo fa kotrehina tsy haloa ny vatsim-pianarana satria efa misy ny miala sasatra, misy ny manao fanadinana famaranana. Misy ny tsy nahazo 4 volana miampy fampitaovana, misy mbola tsy nahazo ny vatsim-pianarana 2 volana. Tapitra ny 72ora, ka raha tsy mivaha ao anatin’izay, dia handray fepetra hentitra ireo mpianatra. Tsy mety mivaha ny olana fa tsy arakaraka ny fampanantenana lava. Ny volana martsa 2021 no nilzan’ny Filoha Rajoelina fa homena “carte bancaire” tsirairay ny mpianatry ny oniversite, ka tsy hisy intsony ny fahatarana. Aiza ho aiza izany herintaona sy tapany aty aoriana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT