Fampianarana

Fitakian`ny mpianatra sy ny SECES Enina no efa nahitana vahaolana”


  • Talata 24 Desambra 2019

“Hanomboka amin`ny taona 2020 ny fanadiovana ny tranon`ny mpianatra sy hahafantarana an ireo mpianatra tena izy.

 Io no dingana voalohany hotanterahina raha vao mitsidika ny taona”, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Blanche Nirina Richard. Tanjona  ny hahazoana mametraka oniversite tsara kalitao sy manaraka ny fenitra misy maneran-tany. Hodinihana ihany koa ny famaritana ny hofan-tranon`ireo mpianatra mba hahafahana manatsara ny tontolon`ny fampianarana. Izany no atao mba hahafahana manatratra ny tanjona “investissement du capital humain”, hoy ihany izy. Anisan`izany ireo sehatra ireo ankoatra ireo ezaka natao nitadiavana vahaolana ny amin`ny fitakian`ny SECES. Nohamafisiny fa misy dingana avokoa ny fanatanterahana ireo fitakiana ireo. Amin`ireo fitakiana miisa 7 nataon`ny SECES, ny enina amin`ireo dia efa nahitana vahaolana. Nomarihany hatrany fa tamin`ity taona ity dia vita 100% ny fandoavana ny vatsim-pianaran`ny mpianatra. Vita ihany koa ny fanomezana ny tambin-karama ho an`ny mpianatra eny amin`ny fakiolten`ny fitsaboana any Mahajanga sy Toamasina. Nanomezan’ny minisitra fanazavana koa ny diplaoma “Licence” izay niteraka resabe. Notokanana omaly ny “centre-médico social” eny amin`ny minisiteran`ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa izay novatsian`ny firenena sinoa fitaovana entina mitsabo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT