Fitaizana ireo olona

miaina toe-batana Trisomie 21


  • Alatsinainy 15 Desambra 2025

Nomarihina ny sabotsy teo ny faha 5 taonan’ny MadaTriso

Nomarihana ny sabotsy teo tetsy Faravohitra ny faha 5 taonan’ny fikambanana MadaTriso na «Madagascar Trisomie 21», izay fikambanana malagasy naorina ho fanatsaràna ny fiainan’ireo ankizy, tanora, lehibe miaina ity toe-batana somary manamaisatra ny fihetsika sy fisainan’ireo olombelona hianjadiany ity. Fotoam-pivavahana notontosaina tao amin’ny EKAR Faravohitra no nanombohana ny fanamarihana ary nitohy tamin’ny lanonana fankalazàna izay tsingerintaona izay izany avy eo. Raha hazavaina tsotsotra ny atao hoe Trisomie 21 dia toe-batana somary maha tara ny fisainana sy ny fihetsik’ireo hianjadiany, hoy ny fanazavàna voaray. Izany hoe raha tokony ho miisa 46 ny sela kraomosoma milahatra tsiroaroa anatin’ny vatan’ny olona iray dia ny azy ireo lasa misy mihoatra iray na 47 izany no isany. Azo atao tsara ny mitaiza ireo olona miaina ity toe-batana ity ary azo atao ihany koa ny mampianatra azy amin’ny alalan’ny fitaizàna sahaza izany. Mila tan-tsoroka, fitiavana, fanohanana hatrany ny olona miaina izany, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT