Fampianarana

Fisoratana anarana amin’ny bacc Tsy hisy fanalavam-potoana intsony


  • Talata 21 Martsa 2017

Ny 31 martsa ho avy izao, raha ny fampahafantaran’ireo tompon’andraikitra tetsy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika etsy Tsimbazaza omaly no fara-fisoratana anarana ho an’ireo izay te hifaninana amin’ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity.

 Tsy misy fanalavam-potoana intsony mba hahafahana mandrindra ny fandaminana rehetra. Ny 24 ka hatramin’ny 28 jolay no hanomboka ny fanadinana ho an’ireo nisafidy ny fampianarana ankapobeny sy ny fihodinana voalohany ho an’ny Baka teknika raha any 31 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra kosa ny andiany faharoa. Ireo ekipa pedagojika avy amina lycée miisa 114 manerana ny nosy no hanolotra ny laza adina mialoha ny tena hanapahana izay laza adina tena hatolotra ny mpiadina mandritra ireo fotoana ireo. Tsiahivina moa fa 15.000 Ar ny saram-pisoratana anarana ho an’ny kandidan-tsekoly,  50.000 Ar ho an’ireo tsy miankina ary 100.000 Ar kosa ho an’ireo teratany vahiny.

 

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT