Fampianarana

Firaisamonim-pirenena Mangataka ny hanemorana ny fiverenana an-dakilasy


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Eo anatrehan’ny fitotonganan’ny zava-misy manodidina ny valanaretina COVID19 indrindra ny fiakaran’ ireo ankizy tratry ny aretina, ny fikambanana

 

 

 

mpikambana ao amin’ny « Firaisamonim-pirenena misehatra eo amin’ny fanabeazana» dia mamerina ny fanambarana natao tamin’ny faha-20 aprily 2020 izay mbola mitombina hatrany. Noho izany, manentana ireo tompon'andraikitry ny sekoly (tsy miankina sy fanjakana) izy ireo, indrindra ny ray aman-dreny, mba tsy handray fanapahan-kevitra mety hampidi-doza na hananontanona ny ain’ny zanaka/mpianatra sy ny fianakavian’izy ireo. Tsy maintsy hisy ny fanadinana ary tsy maintsy ho hita ny fomba hanemorana sy hamaritana fandaharam-potoana vaovao raha manana fahavononana amin’izany ny Fanjakana. Manao antso avo ny Governemanta izy ireo mba hiaro ny sarobidy amintsika indrindra dia ireo sombin’ny aintsika. Araka izany, atsahatra avy hatrany ny fandehanan’ny mpianatra mpaka fanadinana any an-tsekoly. Hahemotra ny fidirana any an-dakilasy mandrapahazoana antoka tanteraka fa foana ny loza ary tomombana ny fenitra fiarovana rehetra mahakasika ny fitaterana sy fandraisana. Mba handray ny zava-misy ankehitriny ho fanararaotra hahafahana mampihatra ny tetiandron’ny PSE ka manemotra ny tetiandro sy ny fidirana manaraka mba hanakely ny fotoam-pianarana mandritra ny fahavaratra sy ny maitso ahitra. Farany dia hampiasa ny rafitra fifanakalozan-kevitra - PNPSE (Plateforme nationale pour le PSE) amin’ny fakana ny hevitr’ireo mpandray anjara rehetra amin’ny Sehatry ny Fanabeazana alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Tokony hifampidinihana mialoha ny fanomezana ny ankizy ilay fanafody. Mamporisika ny fanamafisana ny fitsapana mba ahafahana mandrefy sy mametra ny fielezan’ny valanaretina, mamerina mitaky indray ny hampiatoana ny fampianarana ary hanemorana ny fidirana an-tsekoly mandrapaha azo antoka tanteraka fa foana ny loza ary tomombana ny fenitra fiarovana ny ankizy mpianatra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT