Amin’ny faran’ny volana Aogositra ho avy izao vao hifarana tanteraka ny taom-pianarana amin’ity taona 2019 ity izay feno 11 volana katroka.
Saika manomboka ny volana Septambra avokoa noho izany ny firosoan’ireo sekoly tsy miankina sasany amin’ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra mbola maniry ny hianatra ao aminy raha ny tapaky ny volana Aogositra kosa izany dia efa hanomboka ho an’ireo mpianatra vaovao. Tsy manana afa-tsy iray volana hiomanana araka izany ny Ray aman-dReny raha mbola baraingo ihany koa ny fanaovana vakansy. 100.000 Ar anefa raha kely ny lela-vola ilaina amin’ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra iray manovo fahalalana eny anivon’ny sekoly tsy miankina raha misy mahatratra 200.000 Ar izany miankina amin’ilay sekoly. Ankoatra izay dia saika hanondrotra ny saram-pisoratana anarana avokoa ihany koa ny ankamaroan’ny sekoly raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly tsy miankina iray. Manomboka amin’ny 10% izany raha kely indrindra. Misy amin’izy ireny mantsy no tsy nanondrotra saram-pisoratana anarana sy saram-pianarana mihitsy tao anatin’ny dimy taona. Mahatsiaro no maty antoka araka izany ny sekoly sasany, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Hivoaka sempotra indray noho izany ny Ray aman-dReny satria dia ny tapaky ny Oktobra indray dia efa hanomboka ny taom-pianarana 2019-2020.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.