Fiofanana « Technologies du cloud » an’ny Google

Mpianatry ny ITU ny 50 amin’ireo 200 hisitraka


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Ny volana janoary lasa teo no nanombohana ofisialy ny tetikasa

fiaraha-miasan’ny ArkeUP, Google Cloud, ary ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny nomerika sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra na MNDPT. Anisan’ireo oniversite lehibe Malagasy miisa 5 mandray anjara amin’io tetikasa io, izay mikendry ny hanofanana mpianatra Malagasy miisa 200 amin’ny lafiny « Technologies du cloud » ny IT University na ITU. Mpianatra 50 avy amin’ny ITU noho izany no afaka hanaraka io fiofanana io maharitra 6 volana, ka hahazo ny iray amin’ireo mari-pahaizana iraisam-pirenena omen’ny Google cloud dia ny Cloud Digital Leader, Associate Cloud Engineers, Data Analyst. Maneho fankasitrahana sy manamafy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanamorana ny fampidirana amin’ny sehatra ny asa ho an’ny tanora amin’ny tontolon’ny informatika moa ny ITU, izay isan’ireo oniversite sangany eto Madagasikara amin’ny tolotra momba ny fiofanana amin’io sehatry ny informatika io sy ny tontolon’ny teknolojia.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT