Fampianarana

FIMPIMA Sampana Analamanga mikolo Hamelona ny tantara tsangana amin’ny endrika kabary


  • Talata 06 Aogositra 2019

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay hetsika "vakomanitra" notontosain'ny Fi.MPI.MA sampana Analamanga MI.KOLO na MIaro ny KOLOntsaina.

 

Tao amin'ny CEMDLAC Analakely  no nanatanterahana izany izay nahavory olona marobe tokoa. Samy nahazo ny anjarany  avokoa  ny mpankafy  na ho an’ireo mankafy ny dihy tranainy na ho an’ireo mpianoka tantara tsangana izay samy hita tao daholo. Ho an’ny tantara tsangana manokana raha tsiahivina dia  ilay mitondra ny lohateny hoe  : "izay mivadika aloha kely ila" no nampiainana mivantana ireo mpankafy. Rtoa Razafindrafidy  Maholy Ramarolahy no nanoratra azy.  Ny nandrindra azy ho azo lalaovina an-tsehatra kosa dia Ratsimba Ny Aina Hery Zo na i Zou Bloom ary ny nampianatra ny dihy kosa dia Rasoazananiharisoa Voniniaina Bakoly. Tanjon’ny FIMPIMA sampana MIKOLO moa ny hamelona indray ny tantara tsangana amin'ny endrika kabary ka  amin'ny 30 novambra ho avy izao  indray no  fotoana iarahan'izy ireo amin’ny mpankafy rehetra ao anatin’ilay hetsika  Vakomanitra Noely.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT