Fampianarana

Filohan’ny SECES Antananarivo “Mba mamakia boky ianareo tompon’andraikitra ireo”


  • Talata 24 Mey 2022

Ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 95 dia milaza fa ny lalana no mamaritra ny fitsipika mifehy, isany ny I.14, mifehy ny sata manokan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra,

hoy ny filohan’ny sendikan’izy ireo eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, nanazava ny tohin’ny hetsika ho ataon’izy ireo teny Ankatso omaly. Eo koa ny mifehy ny fizakan-tenan’ny oniversite, hoy izy. Io andinin-dalana io dia am-piheverana no nanaovana azy satria miantoka ny fizakan-tenan’ny oniversite na amin’ny lafiny fitantanana ankapobeny na ara-bola ary indrindra, ara-pikarohana, ara-pedagojika, akademika. Efa mankaleo sy tsy tokony hiseho masoandro intsony ny fahitana fitokonana miverimberina ety amin’ny anjerimanontolo. Ny toko telo mamasa-nahandro ety dia ny mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha foana no tratra farany sy lazaina fa mpanakorontana, tsy mahandry tantana sy izao sy izao rehefa misy ny tsy fietezan-javatra. Ny mpitondra any ambony faly mifanilika andraikitra fotsiny. Misy endrika famotehana mivantana na an-kolaka ny oniversitem-panjakana tsikaritray. Na ny vatsim-pianaran’ny mpianatra tsy aloha ara-potoana na ny fampitaovana rehetra sy fampandehanan-draharaha atao tara be ny fandefasana azy. Zara raha misy tonga. Na ny karama aza ho an’ny PAT dia efa ho 15 andro aty aoriana ary ilana fitokonana vao azo. Tsy vao androany anefa no nisy ny lalana mikasika izany sy ny fitondram-panjakana mandoa karamana mpiasam-panjakana. Mahagaga fa mbola mikaviavia be ireo tomponandraikitra ka izay no antony hangatahanay ilay fizakan-tena. Nalohan’ny HCC ambongadiny moa ilay lalana 2021-28. Tsy mahay angamba ny antenimiera roa tonta sy ny mpampianatra ety amin’ny anjerimanontolo. Mahita izahay fa miendrika fanapahan-kevitra ara-politika ireny nefa ny hoavin’ny firenena no tokony jerena fa tsy ambom-po na kajikajy politika any ambandika any. Raha azon-drizareo ny dikan-teny rehetra voalaza ao amin’ilay lalana natolotry ny SECES nampitondrana ny anaran’ny depiote tamin’ny fotoan’androny Rasoazananiera Monique Ernestine dia angamba tsy hametraka izy hoe avy amin’ny ankolafin’ny inona na inona no nametraka an’io? Tokony ho hitany koa avy eo hoe hay ve ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy ihany no nanolotra an’itony. Mba mamakia boky! Misy ilay hoe “Innovation de la gestion des universités” navoakan’ny UNESCO. Mba vakio ireny fa ahitana taratra ny fitantanana ny lafiny rehetra ny oniversitem-panjakana sy ahitana taratra ny fandrosoan’ny oniversite anglo-saxon mitaha amin’ny oniversite francophone, hoy hatrany ny tenany. Nanazava ny toe-draharaha tamin’ireo mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo moa ny SECES omaly.
J. Mirija
Legende : Fanaraha-maso ireo mpianatra hiditra tao amin’ny Q1 teny Ankatso omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT