Fampianarana

Filohan’ny oniversiten’Antananarivo Vonona hiady sy hanafoana ny kolikoly


  • Zoma 24 Mey 2019

Tafapetraka tamim-pomba ofisialy omaly alakamisy 24 mey teny Ankatso ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo vaovao ny profesora Mamy Ravelomanana taorian’ny fifidianana natao.

 

 

  Tonga nanome voninahitra ny lanonana  ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony Rtoa  Rejo Felicité Fienena. Nambarany fa hiova tanteraka ny fomba fiasa manomboka izao. Anisan’ireny ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ny fampitaovana ary ny ady amin’ny kolikoly. Hapetraka ihany koa ny toerana hahafahan’ny mpampianatra sy mpianatra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mifanakalo hevitra hisorohana ny olana mety hitranga. Hisy koa ny campus vaovao hatsangana toy ny any Fenoarivo Atsinanana, Vakinankaratra … Tsy ho latsa-danja amin’ireo ny ady amin’ny kolikoly toy ny fitantanana ny vatsim-pianarana, ny famoahana ny diplaoma ary ny fandraisana mpampianatra sy mpianatra. Fanambin’ity filohan’ny oniversite vaovao ity rahateo moa ny hoe : Ny marina, ny mangarahara ary ny mampiavaka.

Pati sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT